BAREA
Maranitra tandroka, ary tena havanana
An-tongotra havia, na an-tongotra havanana,
Mahery fo, na inona hitranga,
Ny BAREA rizareo… Ombimanga !
Tsy mena-mitaha amin’ireo mena vazana,
Ary nandresy ireo tena mazana !
Mitohy hatrany ny lalan-kaleha
Indro fa resiny,…ny “Congolais” !
Am-pony handresy, na ho vy na ho vato,
Ny Gasy mahomby, handroso tsy miato,
Hitolona foana hatramin’ny farany,
Ny toky sy kiry dia eny an-daharany.
Tsy baolina fotsiny no atrehantsika
Fa ‘ty fandresena , diniho fa midika
Fa ny Malagasy dia mety ho tafita,
Isika Gasy ‘zareo mahavita. !
Ny hoby sy vavaka, dia akaro avo,
Ka ny fontsika, hitohy ho ravo,
Ny BAREA, dia atrehi-mahefa,
Ry BAREA, ALEFA, ALEFA ….!!!!
Jean Andriamananaivo
Genève, 7 jolay 2019