vue sur le lac Mantasoa

ANNONCE

       Le Ministère des Affaires Étrangères, via la Direction de la diaspora, avec l’appui de l’Organisation Internationale pour les Migrations (OIM) et en collaboration avec la cellule de la promotion du Volontariat du Ministère de la Communication, lancera cette année le projet «Jeunes volontaires de la diaspora ».

       L’appel à candidatures sera diffusé à la mi-avril. Le projet s’inscrit dans une démarche qui vise à favoriser le retour aux sources et à raffermir le lien entre les jeunes de la diaspora et Madagascar par des actions de développement au niveau local. Il a pour objectif de valoriser le volontariat en tant que ressource clé potentielle pour le développement, ainsi que d’impliquer les jeunes de la diaspora dans les projets communautaires à Madagascar.

       La première édition de ce projet pilote concernera les jeunes de la diaspora Malagasy de 20 à 35 ans résidant en France, au Benelux, en Suisse, aux États-Unis et au Canada. 15 jeunes seront pris en charge et seront repartis dans 5 communes rurales du district de Manjakandriana : Carion, Mantasoa, Talatan’ny Volonondry, Manjakandriana, Sambaina.

       Les jeunes sélectionnés effectueront leurs missions à Madagascar pour une durée de 3 mois (juillet à septembre). Ils travailleront avec d’autres volontaires communautaires dans ces communes et seront logés chez l’habitant pour faciliter les échanges et l’immersion.

——-

FANAMBARÀNA

       Ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, amin’ny alalan’ny Tonian’ny Malagasy ampielezana, izay tohanan’ny « Organisation Internationale pour les Migrations (OIM) » ary miara-miasa amin’ny sampana fanentanana ny fanoloran-tena an-tsitrapo eo anivon’ny Ministeran’ny Fifandraisana, dia hamoaka amin’ity taona ity ny tetikasa « Jeune volontaire de la diaspora ».

       Ny antso ho fandraisana anjara amin’ny izany dia hivoaka ny tapaky ny volana aprily hoavy izao. Ny tetikasa dia natao indrindra hanamoràna ny fizahàna ny fototra niandohàna ary hanamafisana ny rohy misy eo amin’ny tanora Malagasy ampielezana sy Madagasikara amin’ny alalan’ny hetsika fampandrosoana hatao eny anivon ‘ny fokontany. Kendrena indrindra amin’izany ny hanomezana lanja ny fanoloran-tena an-tsitrapo hitondra loharanom-pampandrosoana, ary ny fampandraisana anjaran’ny tanora amin’ny tetikasam-piaraha-monina any Madagasikara.

        Ny andiany voalohany amin’ity tetikasa ity dia natokana ho an’ny tanora Malagasy feno 20 ka hatramin’ny 35 taona monina any Frantsa, Benelux, Soisa, Etazonia ary Kanada. 15 no isan’ny ny tanora hotohanana amin’izany ary hapetraka isanisany any amin’ny fokontany ambanivohitra 5 ao anatin’ny faritr’i Manjakandriana : Carion, Mantasoa, Talatan’ny Volonondry, Manjakandriana, Sambaina.

        Ireo tanora voafidy dia hanao ny asa nampanirahana azy any Madagasikara mandritra ny 3 volana (jolay hatramin’ny septambra), hiara-miasa amin’ireo mpanolo-tena an-tsitrapo hafa ary ho ampiatranoin’ny mponina ao amin’ny fokontany iasany mba hahamora ny fizàrany amin’ny fiaraha-monina.