Arahabaina toa an-dRavoninkazo isika rehetra, ka hotsidihan’ny lolo marevaka, hovangian’ny renitantely; ho tojo fahatsarana sy fahamamiana.

 

fimpimasoisy2016Misokatra ny taom-pianarana Kabary 2016-2017 eto amin’ny FI.MPI.MA Faritany Soisy (FIkambanan’ny MPIkabary MAlagasy) amin’ny volana Oktobra 2016 izao ka hatramin’ny Aprily 2017.  

 

 

Ny toeram-pianarana dia Faritra Genève / Faritra Lausanne. 

 

 

Koa manasa antsika am-pitiavana izay liana na te hianatra kabary mba ho tonga amin’ny fihaonana voalohany ny Sabotsy 29 oktobra 2016 amin’ny 7 ora hariva ao amin’ny Masoivoho Malagasy eto Soisy.

Adiresy:

Ambassade de  Madagascar en Suisse

Avenue Riant-Parc 32

1209 Genève - SUISSE

 Ny fisoratana anarana dia amin’ny mailaka: soisy@fimpima.ch

Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny:

0041 78 604 53 57 (Soisy)

0033 6 19 02 22 19 (Frantsa manodidina)

 

 

Fianarana kabary ho an’ny :

  •  MPIOFANA : Tanora sy ny lehibe
  •  TAKALO : ho an’ireo izay efa nahazo fiofanana

Ny karazany dia ny:

  • Kabary an-kafaliana (lanonana, fanateram-bodiondry …)
  • Kabary an-karatsiana (famangiana mana-manjo, kabary fandevenana …)